Lalàmpanorenana inona marina? Repoblika fahatelo sa fahaefatra sa fahatelo sy tapany?

Lalàmpanorenana inona moa izao no mitondra ny fifidianana izay resahana lava eto ity? Mbetika mantsy toa ny an’ny Repoblika fahatelo, dia avy eo anefa izay miresaka toa ny fahaefatra. Ny SADC sy ny GIC-M aza mivadibadika ihany.

Napetraka tamiko io fanontaniana io [rohy]. Nohezahako novaliana tsotra na mety tsy mahafapo aza ny valiny.

Raha ny lalàna 2012-015 mifehy ny fifidianana ho filoha izay hatao atsy ho atsy (hono) no jerena dia mazava tsara fa izay ho filohan’ny Repoblika fahaefatra no hofidiana. Loi organique n°2012-015 relative à l’élection du premier président de la Quatrième République no anarana nomena izany lalàna izany.

Izany hoe efa tsy ao anaty Repoblika fahatelo intsony isika izao. Ary raha ny lojika izany dia efa tsy ny lalàmpanorenana t@ 1992 nasiam-panovana t@ 2007 intsony no mitondra izany Repoblika izany.

Etsy andàniny dia milaza Atoa Simao fa tsy mijery ny lalàmpanorenana t@ 2010 izy fa ny taloha ihany [MaTV via Youtube]. Kanefa raha izany dia tsy mifanaraka @ lalàmpanorenana izany ireo lalàna izay tsy nipetraka raha tsy nahazo fankatoavan-dry zareo vahiny ihany:
– Tsy mifanaraka @ lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo ny lalàna 2011-014 izay mirakitra ny tondro zotra.
– Tsy mifanaraka @ lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo ny lalàna 2012-015 izay mikasika ny fifidiana filoha voalohany @ Repoblika fahaefatra.
– Tsy mifanaraka @ lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo (tsy voatery anefa) ny lalàna 2012-05 izay mikasika ny fifidianana…

Ny fahendren’Atoa Simao dia tokony tsy namoaka iny fitenenana iny izy satria toa tsy voafehiny akory ny lalàna malagasy kanefa dia vao maika nampisy savorovoro ny vava tsy ampiheverana nataony.

Iza ary no afaka hiteny hoe inona ny lalàmpanorenana mihatra? Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ihany. Ary izay rahateo ilay mahatonga azy antsoin’ingahy Kelsen hoe: interprète authentique.

Vao haingana ny HCC (aty @ volana jolay 2013) vao nametraka ny lalàmpanorenana t@ 11 desambra 2010 rehefa manao ny visa izy @ fanapahan-kevitra (décision) na filazana hevitra ataony (avis). Ary tsy ny visa rehetra àry no manonona ny lalàmpanorenana 2010 io. Na izany aza, tsy manonona intsony ny lalàmpanorenana t@ 1992 nasiam-panovana t@ 2007 ny HCC. Raha ny izy izany dia ny lalàmpanorenana 2010 no mihatra na dia tsy eken’ny mpikambana sasany @ fianakaviambe iraisam-pirenena aza.

Marihiko fotsiny fa @ fiasan’ny mpitsara araky ny lalàmpanorenana maro maneran-tany (toy ny HCC fa tsy ny HCC irery) dia tsy voatery mijery fotsiny ny lalàmpanorenana manankery izireo fa indraindray dia mbola mamadibadika ny lalàmpanorenana tany aloha tany raha toa ka tsy mifanohitra @ lalàmpanorenana manankery izany. Izany hoe ny fombafomba (tradition constitutionnelle …) no tena jereny @ izay fotoana izay. Tsy misy zavatra manafintohina izany na hoe tsy ara-dalàna satria @ mpahay lalàna ny lalàmpanorenana dia tsy ilay boky fotsiny (Constitution formelle) fa mety ho eo koa ny lalàna sy filamatra fototra (Constitution matérielle).

Comments are closed.